Ry fahanginana (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry fahanginana o !
Ampianaro aho ahay hiantso anao
Rehefa injao motoatra ny ao am-poko ao
Rehefa mibosesika an-doha ny teny maharary
Tsidio haingana aho, hifehy tsy hankarary!

Ry fahanginana o!
Ampianaro aho ahay ihaino anao
Rehefa injao ka reko te hiakatra ny feoko
Rehefa ny ambom-poko no mibahana ka toloko
Tonio am-pilaminana ny saiko tsy hiridana!

Ry fahanginana o!
Ampianaro aho ahay ankama ny fotoana
Rehefa iny izaho sy ianao ka sendra tafahoana
Rehefa izaho ilay vizaky ny sento sy toreo
Fehezo izato vavako hangina eo no ho eo!


Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : fahaiza-miaina
1544 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 14/08/2016 03:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152