Tsiky (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rakofy tsiky ilay endrikao torovana
Hamelona indray ny dina noratovana

Rakofy tsiky ilay endrikao maloka
Hiala anatinao ny rofy izay nindaroka!

Rakofy tsiky ilay endrikao misento
Ho adinonao ireo lasa toy tsy ho tsaroina hatreto!

Rakofy tsiky ilay endrikao mijaly
Hiainanao indray ilay hafaliana omaly!

Rakofy tsiky ilay endrikao voakaly
Hampievina indray ilay fo ho falifaly!

Rakofy tsiky ilay endrikao miady
Hamitrana indray sy hamatotra ny tady!

Rakofy tsiky ilay endrikao ho mirana
Ahatsara anao, ireo tsy tia ho kirana!

Rakofy tsiky ilay endrikao tomany
Ahatsiarovanao an'ireo rehetra any ho any !

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1319 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 14/08/2016 04:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146