Ny fotoana (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOTOANA
Manokana fotoana hilalaovana
Fa izay no tsiambaratelon’ny fahatanorana
Manokana fotoana ihomehezana
Fa io no mozikan’ny fanahy
Manokana fotoana hamankian-teny
Fa io no laharanom-pahalalana
Manokana fotoana hananana fahatoniana
Fa io no fepetran’ny fahombiazana
Manokana fotoana iheritreretana
Fa io no laharanon’ny asa
Manokana fotoana hanaovana ny tsara
Fa io no loharano makany amin’ny fahasambarana
Manokana fotoana hanaovan-tsoa
Fa tsy misy toerana ho an’ny fitiavan-tena ety amin’ity fiaina-mandalo ity
Manokana fotoana hiasana
Fa io no vidin’ny fahombiazana
Manokana fotoana hitiavana sy ho tiavina
Fa io no anto-pisiana eto amin’ity fiainana ity
Manokana fotoana hivavahana
Fa io no hery ho an’ny miaina eto an-tany!

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1321 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 15/08/2016 04:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014