Ny herin'ny teny (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiana a! marary loatra akia izato foko kely
Navelanao ho irery, voakapoky ny teny
Ka dia manirery, mitokiky feno fery!

Tiana a! mangina loatra akia izato foko kely
Tsy zatra fahanginana, fa zary tsy voajery
Mila hanta, mba tsy ho irery!

Tiana a! miverena indray, soloy teny mamy ireny teo ireny
Hanakotona ity fery mba tsy hangeniheny
Teny toy ireny fanaonao ireny, nanambatra ny "eny"

Tiana a! mivilia ihany, na dia eo an-tokontany
Hitsidika ity fo manantena tsy hitomany
Ny salovan-tavanao dia ampy ahavita izany!

Tiana a! adino tsy tsaroana ny vesatry ny dona
Satria namaly ianao, nanavao fa tsy handao!
Teny iray monja, tsy kely fa nafonja!

Tiana a! voasarona ny ankaso, tsy nisy ranomaso
Ny fandalovanao, izato endrikao, toa saika tsy voajeriko
Nisinda ny alahelo, injao mamerovero izato foko keliko !

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
843 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 24/07/2016 03:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158