You are here: home > Vetso

Iza moa ianao? - Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona

Iza  moa ianao ry ilay olona  iny?
No mangata- kalom-pitiavana  amin'ny vahiny?
Salut hoy ianao etsy ambany
Sa koa avelanao aho haminany?


Roa  anaka,iray no vady
ireo no ampinga  entiko miady
Mankahery ahy  indrindra tokoa
mba  hanondrotra  an'i Gasikara  ho soa.


Iny tononkalo iny va  tsy mitory fitiavana?
Fitiavana  ny  Tanindrazana?
Fa  kalo fitiavana  ahoana  no tadiavinao?
Manolora aza  iray, fa  mety ho vitanao!

Vaoarilala Andriantsifanetra
Rakotoarijaona

Sokajy : Hambom-po

Hevitra mandeha

nofinofy (03/02/2004 16:42:16)

valin-teny nataoko ho an'ny mpisera izay mitady kaom-pitiavana io. Araka izany olona tsy fantatra.

Andriamanga (19/11/2015 09:16:43)

Misaotra tompoko vavy fa tsara sy mendrika ilay kalompitiavana. Tretrika no ny foa.

felixandriant (18/03/2016 08:23:11)

Tsiaro tsy andrarak'ilombiandoha.

Hametraka hevitra

Midira aloha