Ry mpampianatra ô (Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa nisy mpampianatra hono nanao teny mahery maniratsira ny mpianatra, ka hoy aho hoe:

Ry Mpampianatro ô!

Dia inona ity nahazo anao ry madama
Sa kosa ianao ramose very akama?
No maniratsira ny tanora zana-pirenena
Sady hirinay ho loharanon-karena

Raha nisy disadisa niteraka adiady
Nahoana ny ankizy no atao mandadilady
Tsy tokony ianao io ve no atao filamatra?
Sy olona lehibe atao hananatra?

Indrisy anefa, ren'izao tontolo izao
Fa toetra ratsy no nasehonao
...Loza izany tsy hita velively
F'angaha ianao mihevitra fa tsy hiteny ilaikely?

Ry mpampianatra ô, inona ary izao no paikanao?
Mba hiarovanao ity tenanao?
Sa lazainao fa sendra zava-tsarotra
Ka tsy voatana ity vava mivatravatra?

Maro amin'ireo ankizy ny maniry ny ho tafita
Mba hampifalifaly ireo ray-aman-dreny
Mikatsaka mafy ilay vola sarotra hita
ka indray andro any mba hanolotra ny valim-babeny

Fa raha fandrebirebena toy izao foana no mitranga
Dia ho ketraka tokoa izy ireo
Ka izy ireo indray angamba
No anao hoe, io ilay madama fa aleo lakoana ry zareo!

Dia manjary lehibe anaty ahiahy
Ilay zaza mba noheverina ho soa
Ka iny koa fa very ny fanahy
Dia manjary manao kitoatoa!

Eny hoy aho raha mpampianatra ianao
Mety ho ray amandreny koa,mitepo fo
Asa mafy no nofidianao,
aza hadino fa ny ankizy koa mba manan-jo!

Vaoarilala Andriantsifanetra
Rakotoarijaona
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
2647 1
Hevitra mandeha
felixandriant ( 18/03/2016 07:29)
Ahoana no hanatsaràna ny fampianarana eto amintsika?
 ANDRIANTSIFANETRA Félix le Ven 23 Jan - 20:18

1°) Atsangana ny "Ministeran'ny Fampianarana" vaovao.
2°) Asiana séminaire matetika mikasika ny "Ethique de l'Enseignant" (recyclage) - fanavaozana fahalalàna. Ny Fitaizana - Fifampizarana - Trandrantranga - Fifampitàna
3°) Ny Fototra itovozana fahaizana Siansa & Teknolojia @zao Taonjato 21th izao.
4°) Fandalinana ny Fanisaina - eSolaitra - Vakanisa. Fifehezana ny Fifandraisana @ Internet - Skype - izay fitaovana afaka manampy ny Taranaka rehetra eto Nosy Dago ampivoatra ny Fahalalàna/Fahaizana ny tsirairay jiaby any @ izay toerana misy azy.

Ny CyberCafé eto Nosy Dago dia afaka mifarimbona @ fanantontosana izany tetim-pampianarana ankehitriny izany.

Ny resaka fanjakàna dia manohana ny "initiative" citoyenne @ lafiny fankatoavana ara-dalàna ny fijoroan'io Fampianarana vaovao io. Ry zareo ao @ Government no manao fanambarana ampahibemaso fa "Utilité Publique" izany. Any Inde (Bengalore) ny Orin'asa @ seham-pihariana sy taranjam-pamokarana marolafy no mifampizara @ izany eo @ lafiny "motivation". Raha ho an'ny ny Taranaka Gasy rehetra dia izay ihany koa no azontsika atao raha toa ka tsy misy zavatra afa azo aroso ankoatr'izay. Foanana tanteraka ny Baccalauréat, satria obsolète izany (azotsika porofoina izany). Aiza ve dia Bac + x enao aty  Afrika vao afaka anao an'izay asa mahaliana anao eo @ sehatra Siansa sy Teknolojia (ref. CNAM any France). T@ andronay, taona 1980 dia IBM - HP - Apple sns.... tsy voatanisako eto, dia tsy mbola nisy an'izany "Informatika" izany tany @ Faculté tao France na iray aza. Sekoly Privé no nanofana arakasa t@ iosehatra Informatika io. Tao koa ry SAS, safidiko manokana ary zakaiko hatr@izao. Izany no afaka ifampizarantsika eto Nosy Dago mba tsy hifambotry fotsiny @ resaka blabla théorie ity e ! Japan -Chine -Bresil - India -.... etc..... Swiss ohatra dia : rehefa mahazo "Maturité" ny ankizy dia afaka manakany @ EPFL. Afaka jerenareo ny antsipirihiny @ WEB. Izany hoe fampiarana avy hatrany tsy misy fanontaniana intsony izany fa tonga dia hiainana avy hatrany eto Nosy Dago. Ary azo atao tsara tsy misy ankiandriandry. Raha mivory isika dia ampisehoako ny fampitàna ny "Méthodologie"
Ny zavatra efa nofakafakain'ny be sy maro mpandinika mikasika ity fampianarana ity, dia efa nofaritana mazava tsara anio, fa mahazo vahana mihintsy ny "Inadéquation Formation/Emploi" eran'i Nosy Dago. Inona ny antony ? Valiny : ireny Lycée Agricole (ohatra an !) taloha ireny aiza zao no fivoarany ? Mifandrindra @ filàn'ny Firenena Gasy ve ? Maninona isika taloha tany Sakay nisy an'ireny "moissonneuse bâteuse" ireny, sy ny tracteur sy machines agricoles maro samihafa....... Dia rehefa mahita ireny tantsaha mahavokatra any Ambalavao ohatra dia mbola angady, angady tompoko no ampiasaina @ tany midadasika be..... Moa ve, @zao vanin'andro izao, ireny Médecins Chirurgiens ireny tsy efa mampiasa "Scanner, laser, sy ny Imageries Médiales". Ny Mpanakanto sy mpakasary efa mampiasa Fankàna sary (vakanisa/digital), ny mpanjaitra mampiasa Fanjaitra sy hety electronique. Ny mpandrafitra mampiasa fandraka guiden'ny photo cellule sns sns sns..... "robot". Sady vita tsara no aingana.....  .... Isika mampiasa Fanisaina @ ity tendry lavitra ity, mba hifaneraserana .... Dia eo isika ry havana. Efa eo ampelantanantsika daholo ny ho enti-manantanteraka, fohy ezaka, izany vina izany. Toy ny fananantsika ny harena rehetra mikasika ny Ranomasina sy ny  Kibotany raha tsy iresaka ireo fotsiny ihany. Fa ny harena voalohany indrindra tompoko dia ny Tarana Tanora Malagasy, izay mangetaheta Fahaizana/Fahalalàna. Gejaina ireo mpandany volam-panjakana @ corruption ireo dia omena izay tokony izay ho sahazany ny ambanivohitra rehetra eto Nosy Dago @ Fivoarana/Fandrosoana.
Ny FAMPIANARANA IFOTONY

Siansa sy Teknolojia ho an'ny rehetra

1°) Ny fampianarana manoratra sy mamaky no voalohany indrindra anombohana ny fotokevitra.
Ny fanantanterahana izany dia ny famatsiana fitaovana harifomba mifanaraka @ vaninandro iainantsika, ho an'ny Mpampianatra sy Mpanofana isan-tsehatra sy isan-taranja. (eSolaitra - Fampihaonandavitra -...sns..)
     
2°) Ny lafiny Fampianarana dia tsy tokony isy izany fanavakavahana izany eto @tany sy ny Firenena fa mitovy daholo ny rafitra eran'i Nosy Dago.

3°) Ny fampianarana teto Nosy Dago, dia efa hatrizay no tsy vitan'ny fanjakàna samy irery.  Betsaka tokoa ny Sekoly tsy miankina - ary mitaiza ny Tanora rehetra ho anjary olombanona ny ankabehazany. Izaho, ianao dia nanomboka foy isika zazakely, notezaina sy nampianarina tany @ izany Sekoly tsy miankina izany. Iarahantsika mahita izany, ary eran'i Nosy Dago. Ny fisian'ireny Sekoly ireny no nitsangana, dia nohon'ny rafitra sy tetika politka napetraky ny Fitondrana nitantana teto Madagasikara, izay nahomby. Ny tomban'ezaka ankehitriny kosa anefa, raha mandalina ny tondroisa eto amban'ny masoko aho, dia nitontongana ny ankabeazany, noho ny falalàhana tsy misy fetrany azahoana manangana ireny Sekoly ireny.  Misy lalàna tokony hajoro mba ifehezana mba hahafeno masontsivana mazava anarahan-dalàna.    

4°) Ny fanofanana ny olondehibe dia mba anantsarana ny farimpiainany any @ izay toerana misy azy tsirairay avy. Miainga any ifotony koa izany fandaminana ny fanatanterahana izany @ alalan'ny fifampizaràna ifarimbonana. Karazana zaika-faobe, @ Mpianatra - Mpampianatra - Tompon'andrikitra isan-tsokajiny  ao an-Tanàna - Aram-panjakàna na tsia.  

5°) Ny fanofanana ny fampiasàna ny fitaovana vaovao dia isam-bondrona. Ny azoko ilazàna izany dia ny fanamafisana ny fahaizamanao ho an'ireo izay mahatsapan-tena fa mila fivoarana @ fifehezany ny fampiasaina, Fanisaina - eSolaitra - Fampihaonandavitra (sary, feo, soratra), sns....  Ny angovo dia tsy olana satria efa betsaka ny teknika rehetra ahafahana manantontosa izany, na ireo mpiarabelona amintsika any anaty ala mikitroka aza
felixandriant ( 18/03/2016 07:29)
iKALAGNORO ny software .........
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona
Nampiditra : nofinofy
Daty : 29/01/2004 11:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107