Ry Madagasikarako (Vaoarilala Andriantsifanetra Rakotoarijaona)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Madagasikarako!Miarahaba no voalohanteny,
Fa tonga ity ny Asaramanitra
Ka ny mba faniriana ombieny
Dia ny fitahian'Andriamanitra
Fanambinana sy fahasoavana
Filaminana anatin'ny fifankatiavana
Ka mba ho latsampaka amin'ny tsirairay
Ilay Madagasikara Iray
Fahamarinana no ampinga
hiarovantsika ny tanindrazana
Fandalinana no tena bala
hitandroana ny fihavanana
Fandrosoana?kabary fohy arahin'asa
Izay ihany ny antsika Ramalagasy
ka todio re izay ratsy lasa
Ario, aleveno any Ra basy
Madagasikara sambatra!
Izay ny tanjona sa ahoana?
Fitandroana ny zo mahamalagasy
Aoka ho raikitra anaty taratasy.
Vaoarilala ANDRIANTSIFANETRA
RAKOTOARIJAONA
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
Haingotiana5 - fxandriant
Hevitra mandeha
fxandriant
(
15/03/2011 12:52)
Anisan'ny vetsovetso mifanaraka indrindra @ny vanin'andro iainantsika Gasy ankehitriny ny tononkalo nosoratan'i Vaoarilala. Mankasitraka.
Féli
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vaoarilala Andriantsifanetra RakotoarijaonaNampiditra : nofinofy
Daty : 27/01/2004 15:15