MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA...! - ZOZORO
MBA VOLANA, HONO, AHO KA VOLANA!...
Mba volana , hono, aho ka volana! ...
Volana manangasanga iny rehefa hariva
Hiarahaba ny tany efa hangina madiva
Hitsinjo izay aminao eny amin'ny misy rehetra
Volana manangasanga hitazana anao tsisy fetra.
Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana manganohano eny amin'ny lanitra tony
Ontronin'ny kintana maro sy ny vahan-danitra irony
Hitazana anao ary eny, hitsinjo ny any amintsika
Volana manganohano, volana feno sarika.
Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana soa sady kanto mahita ny tsy hita fara
Volana iantefan'ny vetson'ny miaina voambara
Handray izay mba embona kely mipongatra avy ao aminao
Volana soa sady kanto hitaratra ny fiainanao.
Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana mandefa tsiky ho taratry ny hafalina
Mahita ny izao rehetra izao, mibanjina anao olo-tiana
Ny akason'ny raho-mivory, tsy mba haharitra izany
Volana mandefa tsiky, tsiky ho anao any ho any.
Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana mamafy soa ny tendro sy ny lohasaha
Volana koa hanazava ny ankizy manao fampitaha
Mandoko ny rano an'ony, andravaka ireo tora-pasika
Volana hamafy soa izao rehetra izao midadasika.
Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana mba hanazava ny ala sy izay ao aminy
Atoroko anao avokoa ny hakanton'irony hamaminy
Ny fomban'ny biby rehetra, ny vorona tsara tarehy
Volana mba hanazava ny endrikao tiana hiomehy.
Mba volana, hono, aho ka volana!...
Volana faly mihaino ireo hiranao tena kanto
Volana faly mandre ny feonao milantolanto
Volana hitazana hatrany ilay endrikao tiana ho sarika
Volana mba hanazava ny toeran'ny Fitiavantsika.
Zozoro
Tononkalo hafa
'NDEHA ARY RY SAKAIZA (veloma ho an'i LEVELO)HO ANAO
i DADA
NENY Ô !
SOA...
RY VETSO, RY VOLANA,
RY FIFANKATIAVANA O!
TE-HO SAMBATRA
MANORATRA AHO SATRIA
NAHOANA ?