Insérer une photo Inséré par : papozy
Date : 28/01/2005 22:44
Visite : 4916
Poèmes: 8 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Insérer un poème

(2.8.4.6.3.8.8.3)

Ry vorom-mandalo
Izay mikalo dia endrikao,
endrikao avokoa
Ry volan ambony sy kitan irony
dia ianao tena ianao
ny zava maniry ireo mitsiry
dia mirary miaraka aminy ny fo
tsisy hafa fa ianao irery ihany
na mainty na mavo
na mena na fotsy
izaho sy ianao
dia zava maniry
izay mitsiry sy maniry
ary ireo vorom mandalo
sy ireo kitana ambony dia mitovy amin tsika ihany
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/28463883
Derniers commentaires
murio ( 26/05/2009 20:31)
Manahoana ianao,
"i Raozygasy dia manana tetik'asa mahafinaritra ka te hifampizara izany aminao". Misaotra mialoha tompoko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153