Inséré par : NarindraAN
Date : 01/05/2013 04:29
Visite : 517
Poèmes: 0 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Insérer un poème

Narindra ANDRIANTIANA

Lavitra loatra,
Lavitra loatra ny misy ankany,
ka indro tomany
Rahona mainty sy vohitra maro,
no indreo mifangaro
Rotsirotsin'ny kalon'ny fody,
ka manin-te hody

Vahiny mandalo aho mantsy ny eto,
ka lasa ny sento
Tsy dada tsy neny tsy zoky antanàna,
mba ihantahantàna
Indro matsiaro ireo lasa taloha,
ka ngoly ny fo

Lazao re ry voro-manidina irony,
misidina ambony
Mijaly hono izy oe fa ts afa manoatra,
fa lavitra loatra
Lavitra loatra ny misy akany,
ka vonton-tomany.
Narindra ANDRIANTIANA
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/narindra-andriantiana
Poèmes ( 0)

Aucun poème trouvé.

Lectures

Pas encore lu

Derniers commentaires

Aucun commentaire trouvé.

Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133