Daty : 01/05/2013 04:29
Nijery : 516
Tononkalo: 0 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Narindra ANDRIANTIANA
Lavitra loatra,Lavitra loatra ny misy ankany,
ka indro tomany
Rahona mainty sy vohitra maro,
no indreo mifangaro
Rotsirotsin'ny kalon'ny fody,
ka manin-te hody
Vahiny mandalo aho mantsy ny eto,
ka lasa ny sento
Tsy dada tsy neny tsy zoky antanàna,
mba ihantahantàna
Indro matsiaro ireo lasa taloha,
ka ngoly ny fo
Lazao re ry voro-manidina irony,
misidina ambony
Mijaly hono izy oe fa ts afa manoatra,
fa lavitra loatra
Lavitra loatra ny misy akany,
ka vonton-tomany.
Narindra ANDRIANTIANA
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/narindra-andriantiana
Tononkalo ( 0)
Tsy misy tononkalo hita.
Antsantononkalo
Mbola tsisy niantsa