Nampiditra : RHAd
Daty : 09/05/2011 09:14
Nijery : 2131
Tononkalo: 40 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

RHAd

RhAd no solon’anarako. Fanafoezana ny anarako iray manontolo io dia ny hoe : Ranoarison Herizo Adrien. Zanak’Iarivo aho kanefa dia monina aty amin’ny faritany mila ravin’ahitra.

Lava be le resaka teo iny fa fintiniko amin'ny hoe :

Noraisiko ny penina
Handrakitra reo fery namotraka ny fiainako
Hanongotsongo ny ota nanontsa ny tarainako
Hivolana ny nofoko rehefa nihararetra
Hiantso ny kiakan'ny foko ts'isy fetra
Hitory ny firedaredan'ny fitiavako
Hanandratra ny vetso natosaky ny vavako
Hamboraka ny sento nisalotra ny lasako
Hanolatra reo ditra nandemy ny fanahiko
Hametraka ny aiko amin'ilay Mpahary
Hibitsika hafaliana rehefa mba nanjary
Hametraka tandindo reo nofy nandrandraina
Hamelatra finona fa ho avy lay maraina
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/rhad
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103