Insérer une photo Inséré par : SOLIMAH
Date : 02/07/2026 10:54
Visite : 8
Poèmes: 0 Cliquer ici
Fans : 0 Admirer
Insérer un poème

- SOLIMAH -

A : Ny mombamomba ny Mpanoratra :
SOLOFOARIVELO Livanirina Mammy Hubert,
Mitondra ny solon'anarana SOLIMAH amin'ny sehatry ny fanoratana Tononkalo sy Sombintantara. Teraka tao Iharana - Sahamadio , faritra Amoron'i Mania tamin'ny 14 Jiona 1987.
Zanak'i RANAIVOJAONA Rabemahafaly sy
RAHARIMALALA Honorine.
Nampiakatra an-dRamatoa HARIFETRA Rabakoarisoa ho vady andefimandriny tamin'ny taona 2009. Efatra mianadahy ny zanak'izy mivady , dia i Fandresena sy Fitahiantsoa ny lehilahy ary Miangoty sy Miotisoa ny vehivavy.

B- Sehatry ny kanto:
Tamin'ny taona 2005 no nanandran-tsira tamin'ny fanoratana tononkalo. Nahazo tsirony rehefa nanoratra matetika ,ary nahangona sangan'asa maro tamin'izany.
2013 : Nanomboka nizara ny asa sorany tao amin'ny Radio Feon'ny Mania(Ambositra)
Nivelatra tamin'ny fizarana Sombintantara tao amin'io onjam-peo io ihany ny taona 2015 sady nanohy ny fampiainana ny fandaharana "Vetson'ny fo " izay nifanindran-dalana tamin'io fandaharana io.
2016 : Niditra tao anatin'ny "FARIBOLANA SANDRATRA sampana Ambositra niaraka tamin'ireo namany mpiangaly tononkalo tao an-toerana : Todisoa , Jacks , Ny Fitarikandro, Fotsy Miaritra, Mioranandriana, Sandratra Mampitony. Nisy ny boky iray niarahana tamin'ireo namana; nitondra ny lohateny hoe : "VAKY VOLAGNA" ka nohatevenin'ny asa soratr'i Ranoe, Niry Solosoa, Riambola Mitia, Avelo Nidor.
2017 : Niampita tany amin'ny Radio Maria Madagascar ny fizarany ny asa soratra, tamin'ny alalan'ny fandaharana fiantsana tononkalo "MIANGALY KANTO", novokarin'i Landry ANDRIANTSIRESY.
2019 : Namoaka ny boky "SOLIKA MALAGASY".
2023 : Namoaka ny asa sorany tao amin'ny onjam-peo "RECORD FM" sy "Radio DON BOSCO".

H- Tara-kevitry ny asa soratr'i SOLIMAH
- Fitiavana :
olon-droa, ankohonana,namana,
tanindrazana.
- Fitsimbinana ny marefo.
- Alahelo
- Fialamboly an-tsoratra.
- Fanabeazana ny adolantsento.

D- Ny asa fivelomany :
Sady nianatra asa no nanao fifanarahana arak'asa tao amin'ny CEG Ambohipanana -CISCO Fandriana ny taona 2007. Nitazona ny taranja Malagasy sy Frantsay tany am-piandohana, ary efa nampianatra ny taranja Anglisy sy Tantara-Jeografia ihany koa.
14 taona no faharetany tao, ary nifindra ao amin'ny CEG Andranofeno Sud - CISCO Ankazobe ny taona 2022. Niandraikitra ny taranja Malagasy ary misahana ny andraikitra Talen-tsekoly amin'io sekoly io. (2026)

https://www.facebook.com/solimah.hubert
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/solofoarivelo-livanirina-mammy-hubert
Poèmes ( 0)

Aucun poème trouvé.

Lectures

Pas encore lu

Derniers commentaires

Aucun commentaire trouvé.

Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0102