Lavitra olon-tiana (ALOKA MIVENTY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha iny andro maloka iny
Ny masoandro takon-drahona
Velon-tsento ankehitriny
Rakotra haizina ny fiainako

Lavitra ahy ny olo-tiako
Ka mahatsiaro irery aho
Indro faona ny fisiako
Misento foana hatramin'izao

Ireo venty mifangaro
Ireo nofy sy ny sisa
Ireo tantara maromaro
Ny tsiaro tsy voatanisa

Ity foko osaosa
Indrao vonton-kalahelo
Ka mahatsiaro ho manantsosa
Ry malala, mba hevero
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
11 1
Fans: Alokamiventy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ALOKA MIVENTY
Inséré par : Alokamiventy
Date : 11/10/2026 20:24
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118