Voro-manga nandalo (ALOKA MIVENTY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny ianao ry voro-manga nandalo
Izay nandalo dia niserana
Hitako tsara tao anaty ny maro
Kanefa ny nahitako anao tao nanenenana

Nanidina ianao ka tsy hita intsony
Ka izao nipopopo sy nitady
Namentram-panontanina ny tao ambony
Hoe aona izao no miandrady

Ny ranomasoko no alatrako
Fa nilaozan'ilay voro- manga kely
Ny tsiahy sisa no iantefako
Fa ny foko maratra,tsy ho tafarina velively
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Fitiavana - Alahelo
11 1
Mpakafy: Alokamiventy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ALOKA MIVENTY
Nampiditra : Alokamiventy
Daty : 11/10/2026 20:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0138