Hevitra momba ny FITIA MIANDRY VALINY

Hiverina amin'ny FITIA MIANDRY VALINY
fahamarinana ( 05/06/2009 07:42)
Hummm ! Tsy ny soratra irery no niakatra fa ny Aingam-panahy koa niakatra tsara e ! Tiako loatra ilay voalaza hoe :
Raiso re ka anjakao
Ity lapakelinao
K'aza atosi-boho-tanana
Fa mba mila anao ho namana

sakaymena ( 05/06/2009 13:38)
hummm merci de apindramiko anao io ka omeo lay olon-tinao e
fahamarinana ( 05/06/2009 14:26)
Hummm !! dia misaotra marina fa aza ampiarahana amin'ny sakay na ho mena na maintso fa ho raharaha ngoavana ,tokoa moa !! Vazivazy ihany zany an !
mangidy ( 06/06/2009 15:38)
Ampiakaro ny feeling
Izay voasoratra tsy maninona
Sangisangy haniany
F' aoka tsy hisy be vinany!
sakaymena ( 09/06/2009 09:31)
merci aki mangidy ak tiko be nji
mangidy ( 09/06/2009 20:30)
sakaymena ampiana mangidy?
Dia aoka ianareo no hisafidy
Raha ijanona ho mpamaky ihany?
Na kosa iaraka hanoratra ilay teny mamy.

Ka samia ary mampiakatra ilay feeling
Izay voasoratra hoy aho tsy maninona
Koa raiso ny crayon ,stylo , goma
Fa sao mba ao ihany ilay hoe tahakizay foana
sakaymena ( 16/06/2009 18:07)
tiko be ny tonokalon'ny mangidy
mangidy ( 16/06/2009 22:07)
Tsy dia hoe tononkalo
Na averiko imbalo
Kisoratsoratra adaladala
Nefa apetraka ho tantara

Misaotra an'i sakaymena
Nankafy ampahendrena
Ilay mody atao hoe tononkalo
Nampiasaiko goma maro

Ho anao io koa izay mamaky
Mba mandraisa koa malaky
Taratasy fotsy, maro
Ary stylo mifangaro

ka ampiakaro ilay felin
Misotroa rano koa tsy maninona
Dia iarahana mamaky
Vetso maro atsy ho atsy
endrika01 ( 08/08/2009 08:32)
mangidy > mamibe kay ny vetson-dry,fa mody mba hoe mangidy lay anarana,hi hi :D
mangidy ( 12/08/2009 21:25)
endrika01 melsy akia a!
vetso hoy indry?
ity apetrako eto ity
mangidy akia no anarako a!
toy izany koa ny tantarako
nefa aoka ho endrika feno mamy
no asehoko aminjy eto androany


Mysento ( 13/08/2009 11:15)
mody hoe mangidy,fa manafina ,ny mamy.
mangidy ( 13/08/2009 16:24)
Mysento,,, eny mamy tsy hay afenina
Na de maro ireo nanenina
Hozaraiko eto izao sangisangy kilalao
Ilay mangidy ho lasa mamy
Ka ho foana ireo tomany
izay nandaniana ny fotoana
Sy ireo lasa tsy ho tsaroana



ravi ( 08/12/2009 04:34)
mafinaritra daholo
izany teny omenareo
sady tena mamono lolo
sady tsy mba mankaleo
ka apetrako ny peniko
sady anaovako veloma
nefa tsy mety adinoko
ireo anatra mahasalama
mangidy ( 08/12/2009 16:14)
lol
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0099