FITIA MIANDRY VALINY (and)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko na mba tsapanao
Hatraiza ny ao am-poko ao
Midoboka tsy mety miato
Raha vao matsiaro anao



NY vatako iray manontolo
Injao malemy daholo
Mitaintaina mafy hoe
Mba ho tiny ihany ve?




Indrisy tsy aminao ny toerana
Ka mba indramo indray miserana
Dia ho tsapanao tokoa
Ny miady irery am-pitoerana
manonofy antsika roa



Ny fitiavako ry aiko
Ny foko, ny heriko; ny saiko
No indro afoiko omeko anao
Koa raiso,oento tsotra zao



Raiso re ka anjakao
Ity lapakelinao
K'aza atosi-boho-tanana
Fa mba mila anao ho namana



Hamakivaky ty fiainana
Hiray vatsy ,hiray aina
Hitambatra hiray saina
Ho toka-trano paradisa
Ho lavitry ny disadisa


FA
HO ANAO IRERY HANY NY FITIAVAKO RY TINA
HO ANAO HATRANY HATRANY
MANDRA PIALAKO ETO AN-TANY
NA HO BE NY MPAKAHALA NA MARO NY TSY TIA
NY FITIAVAKO TSY HIALA FA HO ANAO DORIADORIA



TAPITRA NIAKATRA NY SORATRA
SAKAYMENA



D
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3899 2
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 05/06/2009 07:42)
Hummm ! Tsy ny soratra irery no niakatra fa ny Aingam-panahy koa niakatra tsara e ! Tiako loatra ilay voalaza hoe :
Raiso re ka anjakao
Ity lapakelinao
K'aza atosi-boho-tanana
Fa mba mila anao ho namana

sakaymena ( 05/06/2009 13:38)
hummm merci de apindramiko anao io ka omeo lay olon-tinao e
fahamarinana ( 05/06/2009 14:26)
Hummm !! dia misaotra marina fa aza ampiarahana amin'ny sakay na ho mena na maintso fa ho raharaha ngoavana ,tokoa moa !! Vazivazy ihany zany an !
mangidy ( 06/06/2009 15:38)
Ampiakaro ny feeling
Izay voasoratra tsy maninona
Sangisangy haniany
F' aoka tsy hisy be vinany!
sakaymena ( 09/06/2009 09:31)
merci aki mangidy ak tiko be nji
mangidy ( 09/06/2009 20:30)
sakaymena ampiana mangidy?
Dia aoka ianareo no hisafidy
Raha ijanona ho mpamaky ihany?
Na kosa iaraka hanoratra ilay teny mamy.

Ka samia ary mampiakatra ilay feeling
Izay voasoratra hoy aho tsy maninona
Koa raiso ny crayon ,stylo , goma
Fa sao mba ao ihany ilay hoe tahakizay foana
sakaymena ( 16/06/2009 18:07)
tiko be ny tonokalon'ny mangidy
mangidy ( 16/06/2009 22:07)
Tsy dia hoe tononkalo
Na averiko imbalo
Kisoratsoratra adaladala
Nefa apetraka ho tantara

Misaotra an'i sakaymena
Nankafy ampahendrena
Ilay mody atao hoe tononkalo
Nampiasaiko goma maro

Ho anao io koa izay mamaky
Mba mandraisa koa malaky
Taratasy fotsy, maro
Ary stylo mifangaro

ka ampiakaro ilay felin
Misotroa rano koa tsy maninona
Dia iarahana mamaky
Vetso maro atsy ho atsy
endrika01 ( 08/08/2009 08:32)
mangidy > mamibe kay ny vetson-dry,fa mody mba hoe mangidy lay anarana,hi hi :D
mangidy ( 12/08/2009 21:25)
endrika01 melsy akia a!
vetso hoy indry?
ity apetrako eto ity
mangidy akia no anarako a!
toy izany koa ny tantarako
nefa aoka ho endrika feno mamy
no asehoko aminjy eto androany


Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : and
Nampiditra : sakaymena
Daty : 05/06/2009 07:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01