Mampitsiky ny hafa... (ANDRIAMAMPIELY Hebiniaina Iriantsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe androany ihany
F'@ androko rehetra
Dia satriko ho zaraina
Reo tsiky tena mamy
Sy tsy nasiako fetra
Ho andon-karakaina
Fa...tiako mba hitsiky
'Reo mongom-piforetana
Vesaran'adin-tsaina
Eny,satriko mihitsy
'Reo ana sy mangetana
Ho mirana fiaina
Dia...atolotro ny tsiky
Tsy misy fanavahana
Tsy asiana rasarasa
Fa...FIAINAKO mihitsy
Tsy foiko hisarahana
"NY MAMPITSIKY NY HAFA"
--------
Lien:
Catégorie : manokana - ahy - Fampaherezana - Fifaliana
2123 0
Commentaires
NyKanto ( 26/01/2005 11:51)
Mifindra hono ny tsiky...mampiavaka antsika mponin'i Madagasikara izy io.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ANDRIAMAMPIELY Hebiniaina Iriantsoa
Inséré par : ahi
Date : 26/01/2005 09:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139