Izaho ve no tsy nahay nan (Antsa tononkalo.R)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho ve no tsy nahay nanadinoNo indreo manatsafa ny lasa
hiodivirako fa tsy mampino
Toa alo-manaraka?. . . asa!
Tsy nandaitra ny fanadinoana,
fa marefo ny vanim-potaona ?
Sa ny foko no vontom-pinoana
f'ianao dia tsaroko eny foana
raha ny taona nivalona ve
Ts'efa maro dia maro ny rirany
Toa tsy miova ny ngadona re !
Ah mbola, hianao e! Ny hirany
Ny hanadino dia Satriko ihany,
tsy hatsiaro ireo lasa, kanefa :
Ny dian'ny foko, mankany...
Oh mbola aminao no miantefa !
Antsa T.R *hianao no mahalala
--------
Lien: