Namana, sakaiza, (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana,

Namana, sakaiza, tsy fantatro, tsy ahïko!
Rehefa iny ianao tsaroako . . .
Mihira ny hafaliako,
mitsinjaka haravoana ny tokotanim-poko,

Namako, sakaiza izay no tsapako eto
Ny ankoatr'izay tsy haiko . . .
Rehefa iny ianao misento ?
Manintsanintsam-bony ny tokotanin-tsaiko !

hany, mpitahiry izay tsy ambara roako
f'ianao no mahalala, izay rehetra miafina aminy
ts'iza ianao na zovy
fa naman'ito foko!
Mpiara-milalao,mpiremby antokotaniny. . .


Antsa Tononkalo.R 20/03/2018
--------
Rohy:
1152 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118