NY TENA TIAKO, (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AHY NY TENA TIAKO,

Ilay fisiana sarobidy
mandretsika ny foko
handoatra ny hirahirany
kaloiko ka kaloiko
fitiavana mamiratra
tsy misy fe-potoana
fa mirehitra tsy miato
miritsoka ao anaty
Foana, foana, foana !

Ny ahy ny tena tiako ah
fisiana mampanonja
ny doboky ny foko
mameno ny fisiako
tsy foiko ka tsy foiko
na iray minitra monja
fa tiako hitoetra ihany
miaina eo tsisy fetra
fitia tsy misy fatra
hatrany, hatrany, hatrany !

Ny ahy ny tena tiako, dia
hianao ilay tonga nofo
fony mbola nofy
notiaviko am-panahy
tiako hianao tia_ahy
hinoako ka hinoako
fitia tena fitia
tsy mety miova loko
fa manankery foana
Doria, doria, doria !

Ny ahy ny tena tiako ah
Hianao ilay tena Tia,

Antsa tononkalo.R volana Janoary 2022
--------
Rohy:
23 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126