"Oram-panala" (Antsa tononkalo.R)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Oram-mpanala",Izany hatsiaka izany, dia ririnina ato am-poko ;
Ary iny fafin'erika iny, dia ny foko mitomany . . .
Raha manomboka mahangoly ny fanala izay misoko
ka mahakotsan'alahelo ny erikerika amin'ny tany !
Inona ary izany? -izato foko merik'andro?
-ranomaso te hijohy noho ny hanina malala;
Ny ririnina mangitsy izay nilaozana masoandro,
dia tsy inona tsy akory, fa ny foko ihany lala.
Ny ririnina mahangoly izay nindaosin-kafanàna
sy ny erikerik'andro, ranomaso te hijohy . . .
'zany rehetra² izany, embonembona tsy tana,
Tao anaty foko kely, izay nilaozana re, *Roy !
Raha manomboka mahangoly ny fanala izay misoko
Ka mahakotsa ny alahelo, ny erikerika amin'ny tany . . .
Izany hatsiaka izany, dia ririnina ato am-poko,
Ary iny fafin'erika iny? -dia ny foko mitomany !
Antsa Tononkalo.R (A.T.R) Volana Jolay 2020.02:02 in. *Hianao no mahalala"
"Ny atao hoe poezia dia fanehona, fitantarana zavatra iray na fihetseham-po iray, miavaka amin'ny andavan'andro(de façons poétique), amin'ny alalan'ny teny"
--------
Lien:
Catégorie :
embona - Fisarahana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana