"vavaky ny tia" (Antsa tononkalo.R)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaky ny tiaIzay tononoko eto izao,
dia tsy ambarambara havana
ka tsy azonao fantarina
hasandratro ho vavaka,
hiakatra any an-danitra
hinoako marimarina
fa hihaino ahy Andriamanitra
Izao tononoko eto izao,
tonom-bavaky ny tia
ka tsy ambarambara tiana
novozonanao ny tsia
Sy nolavinao hatrany
dia mangataka mangina
Mandohalika eto an-tany
F'izay tononoko eto ho aho,
tsy ambarambara havana
ka tsy ho azonao fantrarina
ary tsy ho azonao hainoana
hasandratro ho vavaka,
hiakatra any an-danitra
hinoako marimarina
fa mamaly vavaka Andriamanitra
Rehefa arahina finoana
A T.R 12/11/17
--------
Lien: