Siokan'ny Fanahy (Antson'ny Avo )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tanebakeba-bato tsy nisy fo mitempo
Tanebakeban-gina tsy nisy afa-tsy sento
Tanebakeban-tiana modimody tia
Nandrenesako hira nanainga ahy handihy.

Tanaty haizina tsy nisy hazavana,
Nijoro indry ho fanilon'ny lalana hombana.
Tanaty haizina rako-pankahalana,
Nijoro indry ho fanilo mandroaka ny fanala.

Tsy mihoatra (kely) indry fa ampy nanototra ny banga;
Nandoko ny lanitro ho mena sy ho manga.
Nitia indry fa tsy nitsara ny lasa feno ota.
Tsy nihaino ireo nandrara, nihoatra ireo kanosa.

Dia andriamanitra indry amiko, mahefa sy mahery;
Mpanoro, mpiaro, mpanampy, mpankahery
Feo lafika nanainga ahy handroso
Aloka niaro ahy tsy hikoroso

Tiako atao hoe malala indry nefa kely loatra izany.
Fa ny fisian'indry? Kanto nama izany a!
Ilay tsy niala mihitsy na nisy ambana nanaloka.
Dia mahatoky koa, mambosaka ireo sarotra.

Tiako nama indry a!
Amin'ny foko manontolo.
Ny mombamomba an'indry?
Mahakasika ahy daholo.

Fa
Tamin'ireo maro, nizotra hanohy ny lalany.
Nikopaka ahy indry dia nitia hatramin'ny farany.
Anatin'ireo maro modimody tiavina,
Hafa mihitsy indry, Maman'i Hasambarana.

Antson'ny Avo, 03/03/2026
06h53
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
37 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Antson'ny Avo
Inséré par : Mikoriana
Date : 02/06/2026 02:57
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124