Raha olona iray... (ARIKAOMISA RANDRIA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha olona iray no tsy tia,
mitotoa koba ho donga,
mbola maro ireo te hiara dia
na ny lava na tapak'aponga!

Raha olona iray no hanadala,
aza mandraiky manavy,
mbola maro ireo te ho malala
na ny kaozatra na ny matavy!

Raha olona iray no nandao,
aza dia atao mamparatra,
mbola maro ny safidinao
na ny fisaka na ny be tratra
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana
2636 6
Commentaires
fiaritiana ( 02/07/2006 18:44)
kay!!manambony moral kosa zany tononkalo zany knouuuuuuuu!! tsy ratsy ka fa lé hanadinoana an lé olona tsy maintsy sarotra foana rehefa tianao izy!!
Tohizo fa tsara e!
lolokely ( 10/07/2006 11:02)
tsara sady ohatra velona ho an'ny mpanoratra rehetra.
manome hery ahy mihitsy izany.
Sara ( 04/09/2007 11:22)
Tiako be ilay kilalaonteny, mahafinaritra fa mba hianarana ilay fikanao e!
Iaromalala ( 23/03/2013 07:04)
Tsara sady mampahery ilay tononkalo saingy raha ho an'ny tanora mbola vao mitady vady tena sarotra ho'aho! Eo foana nge ny olana r'se e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ARIKAOMISA RANDRIA
Inséré par : tia
Date : 01/07/2006 14:24
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0136