VALIHA MAY (Aro-Zo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tinendrin'adala ilay valiha may; k'indro tapa-jihy
Ireo mpitsiriritra mpaniry hatrizay
indreo rebi-dihy
Ny kalo mivalany sy hira mivaona
midi-mivoaka
injao manako sy miraondraona
imasom-bahoaka
Teo avara-patana izy hatrizay
raha toa tsy tinendry
Ankehitriny efa kila sy may
fa nilaozan'ny hendry
Zavona ireo ranomaintin'ankizy
ka ritra maraina
f'efa voahidy any anaty valizy
ny tena haren-tsaina
Tofoka eny ihany ireo voky taona
eo am-piandrasana
hifohazan'ny lasa tetehin'ny taona
holovina am-pasana
ARO-ZO(26/06/19)
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Aingam-panahy
Fans:
hery
Commentaires
hery
(
22/08/2019 14:53)
Rehefa amin'ny finday dia soraty tsotra fotsiny, ampidino andalana fa aza asiana elanelana (espace)
raims randriamalala
(
22/08/2019 16:25)
izao mihitsy no andrasana, hitanao zany! tsara be ny tononkalonao rehefa madio sy milamina, tohizo fa tsara e! 😊 😜
Aro-Zo
(
22/08/2019 18:58)
Mankasitraka dia misaotra ny nandamina