TSY MI -L (Bade RaAnRaMa)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MI-Lfa efa voasoratra hoe:
"Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
...
Aza mandry lava fahagagàna avy any an-danitra,
F'izao fisiana izao tsy efa zava* mahagaga?
Ny saina sy fanahy, ny sandry no aoka hamaritra
Ny lalana makany amin'ilay " hanina sahaza"!
Firifiry (ny) nofy tsy hary nofo hatramin'izao
Nandrasana kotrehin'ny finoana TEVIALA?
Ity anio ity no maraina vaovao
Hitanehana indray ilay " antena" mamanala.
(...)
Dia aza maka lagy amin'ny fiainana mandalo
Na handany ranomaso amin'ny olona tsy taitra,
Fa etsy ianao hiantsako andinin-tononkalo
F'itony odim-po amin'ilay mahery vaika!
Bade
--------
Lien:
Catégorie :
Malalaka - fananarana - Fampaherezana - Fiaraha-monina - Tanindrazana - Eritreritra mandalo - Aingam-panahy