MIONONA (Christian RAKOTOVAO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ny embona ny lasa
Na ny tsiahy ireo fahiny
Zary lasa toa mandatsa
Sy mihantsy ankehitriny

Na ny fo mangitakitaka
Na ny saina mahatsiahy
Dia mahatsiaro toa voafitaka
Ka mionona am-panahy

Fa ilay tiana dia nandao
Ka nifindra an-kafa indray
Fa nanao toa kilalao
Izay niarahana hatrizay

Ilay malala izay nihafiana
Namoizana ireo hafa
Nampijohy ny fahoriana
Any an-kafa no mitafa

Hany hery dia mionona
Mitanisa ny tantara
Any andro any volana
Mbola ho avy ny anjara.
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana
1404 1
Fans: istraky
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Christian RAKOTOVAO
Inséré par : istraky
Date : 08/02/2008 06:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134