Zanak'i Dadanay (Co-ia Iavotriniaina)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada mikiry tsy mba mitaraina,
Mody ny hariva dia lasa maraina.
Ny tampon-tanety no ataony latasy,
Iny Dada iny mantsy tsy mahay taratasy,...

Fa (.....) Dada mitsinjo ny hoavin'ny zanany.
Na miempaka, rotika hatramin'ny tànany,
Dia tsy mitaraina amin'ny fiainana lafo,
Fa aleony miafy sy tsy misakafo,...

Raha toa ka ny zanany no tsy zarizary,
Tohina ny ainy raha ianao no marary,
Faly ny fony raha ianao no tafita.
Dia averina foana hoe ny azy efa vita,...

Saingy(...) ianao mila mihoatra an'izay efa vitany,
Tsy tiany hiaina amin'ny mafy efa hitany,
Fa tiany ho fitaratra indray any aoriana,
Hijoro ho rehan'ny fianakaviana,...

Ilay zanak'i Dada maloto fitafy,
Ho tonga mihaja sy handeha any an-dafy.
Na mafy ny fiainana indraindray,
Tsy kivy aho fa zanakan'i Dadanay.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
431 0
Commentaires
Coia ( 13/11/2025 14:25)
Misaotra fa tsara bé Ilay niantsanao azy🥰
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Co-ia Iavotriniaina
Inséré par : Coia
Date : 23/04/2025 03:26
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0157