Tompo o! (creta)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray o !
Raha mivavaka Aminao aho
Moa ve mba mety misy mihaino
Sa tsy tonga any ny feoko
Mitaraina
Ray o!
Mamindra fo
Noho ny atezerako taminao
Henoy ity antsoko
Ka valio

Ny fiainanay
Efa simbampahotana
Ny andronay
Lany amin’ny filibana
Ny rehetra ato aminay
Toa viraviran’ny satana

Efa mangidy sy mafaitra
zao fiainana
Hany mafy tsy laitra
Hitarainana

Faingiana Ianao, tongava Ianao
Fa miandrandra , famonjena Ireo vahoaka sesehena




Creta
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1129 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136