Tompo o ! Omeo ahy ny fo (creta)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo o !
Omeo ahy ny fo madio
Omeo ahy ny fo tony
Lavitry ny ranomaso
Lavitry ny ratsy

Tsy mahatoky ahy anie
Ireo heveriko atokisako
Tsy mino ahy anie
Ireo izay nihainoako

Vonjeo aho fa marary
Vonjeo aho fa osa
Atolory ny tananao
Atolory ahy ny fahazavanao

Raha Ianao ry Tompo
No mihaino izao feoko izao
Dia ho tony ny ato am-po
Ka mirana sy sambatra izao



creta
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1368 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : creta
Inséré par : tovomanana5
Date : 22/05/2016 14:58
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165