ny dadako (cute)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY DADAKODada,ilay raiko lavitra ahy
Dada,ato ampoko mandrakizay
Mafy tokoa ny tsy eo anilanao
Nefa fiainana izany,tsy misy azo atao
Latsaka ny ranomaso
Mitombo ny ankaso
Ilaiko i dada nefa indrisy
Ny elanelan-tany no sakana misy
Sambatra ianao
Izay anilany rainao
Tiavo izy,hajao hatrany hatrany
Satria tena mafy izany tsy anilan-dray izany
cute
--------
Lien: