MANOVA NO METY (da-rola)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANOVA NO METY

Tena tiako tokoa izay malalako izay,
Izy hono anie ka tia mandrakizay e!
Any lavitra any izy tsy aiko adinoina,
Ny fitiavany kosa tsy aiko nonoina.

Nandalo ny andro, ny volana, ny taona
Tsy mba nifankahita na koa mba niaona,
Ho sanatry ve ka hifandao?
Tsia! Tsy mino ny saiko satria tiako ianao.

Inday ando anefa taty ahoriana,
Tazako ilay MAlalako teo ambodi-riana,
Akory ny atairako hoy ianao?
Olon-kafa no niaraka taminy tao.

Dia saika anantona aho nefa tsy sahy,
Satria nalahelo ny fo, nitoloko ny fanahy
Tsy kivy tsy ketraka fa lehilahy e!
Manova no mety hoy ry zalahy.

R. Rolland (da-rola)
--------
Lien:
Catégorie : alahelo - Fisarahana
988 1
Fans: da-rola
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : da-rola
Inséré par : da-rola
Date : 15/01/2016 08:19
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135