Mena masoandro (David Mpikalo)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F'iny masoandro iny no madiva hamonjy fodiana.
Ny eto kosa singan-drery mahatsiaro olon-tiana.
Velona embona anao ka midongy ho vangiana.
Fa banga anao ny harivako, miandrandra fifaliana.

Dia iny faravodilanitra iny, no anembonako anao,
Ianao zay lavitra ahy tsy fantatro akory
Nefa tsy afaka ato an-tsaiko isanandro zao,
Indrindra moa fa ny alina rehefa matory.

Ilay angolangolanao no mibitsika ato am-poko!
Babeko an'eritreritra, mifantsika ato an-dohako!
Ilay rotsirotsim-peonao malefaka no miako an-tsaiko.
Hanofy mamy anao, izay no sisa ho antenaiko.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
73 1
Fans: Nomena223
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : David Mpikalo
Inséré par : Dmp13
Date : 15/03/2024 05:17
Lectures
Lu par ikalamako
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017