FISARAHANA (Dovan Andrian)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zah akory tsy poeta, na mpanoratra tantaraFa mba te hilaza aminao na ny ratsy na ny tsara,
Ireo fiarahana hatrizay, tsy naniry namololona,
Fa maty momoko avokoa, tsy hay lazaina sy tononina
Nihezaka foana mantsy isika fotoana maro hatrizay,
Nikolokolo sy nitaiza nikarakara ilay fitiavana,
Nefa indrisy toa nangaina fa ahitra sy tany hay,
No nangeja sy nameno izato atao hoe: hasambarana.
Lalana misampan-droa no manoloana ankehitriny,
Tsotsoromamba hisarahana izato faravodilanitra,
Rivotra mifofofofo no mialoha ny fiaviny
Raho-mainty mitatao, ranonoram-pahavaratra
Aoka izay ny ranomaso fa aza arotsaka intsony,
Ny ampitso indray jerena, fa mbola lavitra ny lalana
Dia ilay alahelo, atsaharo, ampangino mba ho tony,
Fa ny antsika roa, efa tapitra mifarana!!!
F...L (19/01/2015)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
hery
(
05/06/2015 08:05)
Tsy mbola mety manaiky mihitsy ny saiko hoe tena nisy fitiavana dia avy eo lasa misy fisarahana.