Tsy misy na iza! (Elra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy misy na iza ilazako manginany sitrako miafina ato an tratra
tsy misy na iza olona tiana
hanala ny aloka,hanala ny ratra
tsy misy na iza olona tsara
ibitsiako ny vetson ny foko
tsy misy na iza tsy hiazaka ny anjara
hitondra fitsiky,homono toloko
tsy misy na iza,zazavavy mba kanto
tsy misy na iza,fanja hamelana
hioty fitia anaty ny vato
ka ho rakotra tsilo ny akany fonenana
tsy misy na iza,olo malala
hitoriako fitiavana tokana an tany
tsy misy na iza,afaka hanala
'reo zay mangidy,tataovin-tomany
Anja(AnHa)
--------
Lien: