Ampidiro aloha ny tenimiafina
ANAY I GASIKARA (Elysé Azrael)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anay i GasikaraNa ratsy io na tsara,
Fanananay irery
Tsy avelanay ho very
Nareo Frantsay
Nanjanaka anay,
Miomana amin'izay
F'hahita mahamay
Manan-jo ny Gasy,
mba hiana sy hilasy
Eo amin'ny tanindrazany
miaraka amin'ny havany,
Manan-jo hiaina,
Manan-doha hisaina,
Manan-jo hiaro
Tsy hohanihim-pahavalo
Miomàna ianareo
Mpanjanaka ireo;
MIFOHA NY VAHOAKA,
KA LASA IALAHY MITSOAKA!!!!
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
