HAY IANAO NANAIKY IHANY (Elysé Azrael)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao moa hanaiky ihany,
Dia efa nampifila tsy nisy tahaka izany,
Mody tsy miasa loha rehefa anontaniako,
Nampijaly nampifila: nandà ny faniriako.
Hay nanaiky ihany no niafarany!

Tsaroako ery taloha
Fony isika roa
Mba sendra tafahaona
Ianao mandositra ahy foana!
Rehefa tsaroako anky ireny
Dia iny aho fa mihomehy irery
Satria nanaiky ihany no niafarany

Tsaroako hatramin'izao
Ilay izaho sy ianao,
Ilay nanaterako anao hatreo
Am-bavahadin'ny tranonareo,
Dia nilaza ianao avy eo
Fa vonona ny hiaraka amiko,
Fotoana tiako iny: mamiko!
F'ianao nanaiky ihany no niafarany
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fitiavana
228 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Elysé Azrael
Inséré par : Azrael666
Date : 09/11/2025 16:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111