Môlamôla kely, maditraditra kely (Elysé Azrael)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Môlamôla kely, maditraditra kely,Kanefa tsara endrika, sy manja kely ikala,
Toa latsaka eto an-tany, santionan'ny anjely,
Ka babony ny foko, te hiantso azy hoe malala!
Môlamôla kely, somary misariaka,
Raha sendra eny ho eny, mampiherika mpandalo...
Izany izy raha mitsiky, toa volana baliaka!
Ny sendra itsikiany, mahasora-tononkalo...
Môlamôla kely, somary bada lela,
Mahay mandagolango, mahay miangotingoty...
Ny iray minitra anilany: satry foana ho ela,
Fa voninkazo kanto, ka mampi-te hioty!
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Azrael666
