Manonjanonja anatiko... (Elysé Azrael)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manonjanonja anatiko
Mila tsy ho tantiko
Ny embona anao...
Fa mampahatsiaro antsika,
Sy ny fiarahantsika
Zay rehetra tojo maso
Sy izao tontolo izao...

Ndryyy! Ny foko izao onena:
Fa iny andrefana iny
Ilay masoandro mena
Fibanjintsika roa rehefa takariva...

Indreny koa ny vorona
Hamonjy ny akany
Nilaozany any ho any,
F'izaho kosa androany,
Miandry anao hatrany
No sady manontany hoe:
Rahoviana ianao no ho tamy?...

F'ilay nilaozanao
Mikalo samirery,
Fa ny hiverenanao,
Toa mbola mistery...
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fitiavana
31 1
Fans: Azrael666
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0121