Volana tantely... (Elysé Azrael)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nihaona isika roa,Dia nifankahazo am-po,
Dia nifampitsiky kely:
Volana tantely!...
Dia mihaona tsindraindray,
Ny foko miontana indray,
Dia mitempotempo kely:
Volana tantely!...
Dia manonofy anao rehefa alina,
Anaty haizimpito lalina,
Nony avy eo dia taitra kely:
Volana tantely!
Dia nitory ilay fitia...
Dia nanaiky ianao na dia
Somary nampifila kely:
Volana tantely!!!
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
Azrael666
