To ny nofintsika (EZK)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
To ny Nofintsika
Ra tombanako an-dalana izany bikany izany
Dia tsy ary voatanisa fa maro tsy voaisa
Tsy haharaka ny tanako,hanoritra ny hatsarany
Ra hoariko @ kanto aloa dia tena paradisa

Ny endrika ve? Ny anjely no tsy hitako
Manjopika toa masoandro am-baravarako maraina
Ny mifanojo izany, na hikasika tsy vitako
Tsy foiko hiala na atoandro sady tsy mba mapalaina

Rehefa iny ka midola sendra tazako irery
Dia izao tsy mahateny na hanatona hitafa
Fa manaraka tsy taitra,mitazana eny ho eny
Mbola miandry 'lay fotoana sy 'zay efa kinasa

Fa tatoato izay dia nisy hery tsy toaina
Manenika ny saiko sy ny foko indrindra indrindra
Toa fanahy maniraka tena mankarary aina
Raha tsy ho haiko ny milaza, eny sy mandrindrandrindra

Ka androany tsy nomanina
fa hinoko ho rindra-damina nataon'i Ray
Fa nifanena teny ny tiana sy ny manina
Tanaty valan-dresaka no nikambanana ho iray
--------
Lien:
Catégorie : embona - Fitiavana
679 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : EZK
Inséré par : Ezakasetra
Date : 27/01/2018 19:57
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136