TSY MATY NY LASA (FahNamby)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MATY NY LASANy ngidy navelan'ny lasa
Sarotra alàna ao anaty,
Ka n'inona zava_kinasa
Ny tsiaro tavela tsy maty.
Ny ratra manjary mandoaka
Mangeja ny fo tsy hitony,
Na inona zava_naloaka
Ny fery tsy sitrana intsony.
Ny sisa vao mainka maniry
Na efa vonoina impiry.
Mandreraka ny ati_fanahy.
Kanefa na inon_kidona
Na inona zava_tsaroana.
Mbola hijoro sy ho sahy.
FahNamby
08/02/18
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
rfahendrena