Ady mafy (Fanilo Masindahy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa na dia mamy aza ny toromaso;
Dia tsy maintsy hiarina aho lehiretsy
Hiatrika ny tolona an-davanandro;
Sy ny sedram-piainana rehetra

Fa aminay lehitsy! Sarotra ny miaina
Na dia anakiroa aza ny lavak'orona
Be loatra ny adidy hiasan' ny saina
Toy ny very ondry manara-morona

Enjana ny ady, enjana ny fiainana e!
Nefa moa iza no afaka hitarainana ?
Izaho efa adinonareo satria mahantra
Hoe adala ka aleonareo tsy mihantra

Raha mangataka aho latsaina:
Hoe mitadiava asa raha misaina
Mitady asa aho nefa tsy omena
Inona ihany izany no antenaina?

Hatrehako foana na mafy
Ho zakaiko tsy hitarainako
Mino aho fa mbola ho avy
Ilay masoandro handravaka ny marainako

FANILO MASINDAHY
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fiainana - Aingam-panahy
68 1
Fans: Fanilo007
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fanilo Masindahy
Inséré par : Fanilo007
Date : 08/03/2026 03:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124