AZY IANAO (Fidy Art Niaina sy Mino RAMAHEFA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tranonao nidirany tiako hivantananaNy dobonao nilomanosany no tiako hirobohana
Ny tananao fikiriny tiako hotantanana
Ny molotrao notohofany no iriko koa horohana
Saingy efa azy ianao...
Azy ianao ry tiana a!
Ny ranao sy ny azy no efa mikoriana...
Ny fo mitempo iray;
Ny saina zary tokana
Loatra toa sondriana
Nefa... Ny foko koa miontana
Velompamaliana
Dia velom-pialonana
Ny hasambaranao
Velom-panolorana
Ny tsiny mifamaofao
Saingy tsy sahy hanozona aho angamba?
Tia anao loatra ity foko efa jamba!
Noferako hangina; hay tsy azoko terena!
Ny fisisiako aminao mety ho fitiavan-tena?
Lahatra eny izao: voafaritra ho ekena
Izao tokoa no hoe adala izay tia e?
fa tsy zakako ny mahita anareo roa miara-dia
ny masonao jereny mba tiako hobanjinina
Ianao ilay sakambininy mba tiako hofihinina
Saingy efa zy ianao...
Mino Ramahefa sy Fidy Art Niaina - 31 Martsa 2022 -23h338
--------
Lien:
Fans:
Djess - Fidy Art Niaina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Fidy Art Niaina sy Mino RAMAHEFAInséré par : Fidy Art Niaina
Date : 16/05/2022 13:26