Avia ry sombinaiko (Flr)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avia ry sombinaiko, etsy ho trotoiko
Ny hanalavitra anao, tena tsy foiko
Avia mantona ho safosafoiko
Avia ho eto an-tsandriko akaikin'ny foko

Ry sombinaiko tiako sy mamiko indrindra
Ny fitiavako anao tsy haiko hafindra
Iriko ho aminao ny soa rehatra
Ka hiaina am-pifaliana tsy misy fetra

Ianao ry sombinaiko no hany rehareha
Koa mahaiza mamindra mahaiza mandeha
Fa mbola lavitra ny lalana alehanao
Mahaiza mitandrina amin'ny zavatra atao

Mafy ry sombinaiko ny maina eto an-tany
Mifandimby aminao ny sento sy tomany
Kanefa aza kivy fa mitraka foana
Fa ho tantaniko hatrany raha mbola misy fotoana

Flr/20-01-2015
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
986 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Flr
Inséré par : fidelraza
Date : 20/01/2015 08:54
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139