Diso fanantenana (Flr)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanatena saha edena
Tamin'izany andro izany
Nanantena ny ho mpanan-kerana
Kinanjo nihosina amin'ny tany

Nanantena fahazavana
Tao anatin'ny telo volana
Ny taona ity nifarana
Tsy mety voavaha foana ny olana

Nanantena filaminana
Fa tapitra hono ny krizy
Kinanjo nihinana ny tsy fihinana
Lasa mankany amin'ny tsy izy

Nanantena tany tan-dalana
Mba hanjakan'ny marina
Kinanjo maro ireo mitsivalana
Ka ny firenena mila hivarina

Nanantena fifaliana
Mandritra ny androm-piainana
Kinanjo nisedra fijaliana
Izay nanimba ny fisainana

Kanefa aza kivy fa indray andro any
Mbola ho rava ny sento sy tomany
Satria ao ambony foana Andriamanitra
Mizara fiadanana ho an'ny ambanin'ny lanitra

Aza kivy fa misy farany ny zava-dehetra
Aza ketraka fa ny fahorianao manam-petra
Tsy maintsy hamiratra io indray andro any
Hiadana foana ianao mandrapiala eto an-tany

Flr/15-12-2014
--------
Lien:
Catégorie : Politika - Fiaraha-monina - Vavaka
1532 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Flr
Inséré par : fidelraza
Date : 20/01/2015 08:05
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136