ALEVENO (Fomaratra )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iriko indrindra, aleveno aho ho fongana
Tsy hiseho masoandro intsony
Ka ny fara-potipotiko aza misy ho tsarovana
F'aleo hihidy mafy hiara-miafina amin'ny fony
Aleoko aho tsy misy toy izay ho an'olon-kafa
Fa iny olona iny, iny ihany no ho fetraka
Ka raha tsy ho ahy izy dia aleo ny androko hifafa
Nefa mba misy hafatra hapetrako.
"Ireo lasa fahavaloko noho iny olona iny
No aoka hampandro ito vatako,
Dia ireo nandrara ahy fahiny
Sy tsy nanaiky ny ho namako,
Ireny ranomasoko vokatry ny fihafiana
no rano hampandroinareo ny tenako
ireny zava-niaretako mbamin'ny fijaliana
No ranomanitra hosory izay fandriana itoerako.
Ireny hira tena mamiko no ataovy an'aritory
Ilay namonosako ny feriko no ho solon-damba mena
Dia atafio ito vatako rehefa mandry sy matory
Ary afatory amin'ilay tadim-pitia tsy nekena
Ilay toerana nitoerako teo anilan'ilay malalako
Sy fialan-tsasatro raha torovana ny tenako
Dia eo no ataovy tanindrazako
Handevenana sy hanorenana ny fasako.
Dia ilay fitsikiny, ny angolany ary ny famindrany
Ireo tambitamby nandrotsoiny ny andro lasako
Ny toetrany, ny fitiavany sy ireo tsy foiko teny an-tanany
No ataovy solom-boninkazo handravaka ny fasako"

Dia raha misy manontany
Ka nivonto koa ny masony
Dia hoe maty ho an'ilay notiaviny
Noho ny etraketraky ny sasany
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana - Alahelo - fiainana - Fitiavana
912 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fomaratra
Inséré par : Fomaratra
Date : 11/02/2015 06:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015