AMPIANARO AHY (ghest1986)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra Ray,misaotra Anao
Fa naposakao indray
Hoahy ilay masoandro
Dia maraina vaovao,Toa ilay omaly
Feno ny fitiavanao,
Feno ny fahasoavanao ry Ray
Ka tonombavaka iray Izay fanaoko
No indro fa asandratro aminao indray
Mba hampihorina kokoa ilay finoako
Ka raisonao ry Ray
Raiso fa tononiko amin’ny fo
Ampianaro ahy izay rehetra sitrakao
Mba ahaizako indray manompo anao
Ampianaro hitia Itÿ foko toa mpania
Ahay itia ireo namako,
Sy Ireo fahavaloko
Raha sitrakao ry Ray dia izay ampianaro ahy

Raha hody ilay masoandro
Ho maizina ny andrao
Ka ny volana no tonga hanazava
Dia alina indray, toa ilay omaly
Feno ny fitiavanao,
Feno ny fiarovanao ry Ray
Dia tonombavaka iray Izay fanaoko
No indro fa asandratro aminao indray
Mba hampihorina kokoa ilay finoako
Ka raisonao ry Ray
Raiso fa tononiko amin’ny fo
Ampianaro ahy izay rehetra sitrakao
Mba ahaizako indray manompo anao
Ampianaro hitia
Itÿ foko toa mpania
Ahay itia ireo namako,
Sy Ireo fahavaloko
Izany rehetra izany Ray ampianaro ahy

Ghest1986
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1737 1
Fans: ghest1986
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ghest1986
Inséré par : ghest1986
Date : 19/10/2011 15:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138