lainga lainga (H.Nirina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAINGA LAINGA
.
Lainga fa raha misy
Hira sendra tonony mirakitra ny lasana:
Satrinao ho hiraina...
Saingy mampalaina
Raha toa ka misy anarana mamerina 'lay endrika
noheverina efa rendrika ao anatiny ao...
Ka hampisento anao
.
Tsy misy fo naratra ka seranin'kirahira dia hinia
tsy mba hatsiaro,
Na sombina tantara
Na raki'tsarobidy tao anaty tononkalo
mandrafitra ny anarany...
No hoe tsy hisy sarany...
Na dia tsiaro vitsy monja
.
Lainga 'koa ny lainga
Fa raha nisy fibanjinana ny volana mazava 'ndray
takariva iny
Ka tonga tsinambolana no tsy hisy fahatsiarovana
'lay endrik'olon'tiana notiavinao taloha...
Lainga raha tsy hifoha ny lasana tsy tanty...
Natory fa tsy maty
.
Raha tratra sendra hiondanany
Na tanana tantanany no sendra tazanao
mikambana eny andalana
Tsy maintsy misy fo,mihoatra fidobohana anaty
vatana any...
Fa ambo raha hoe nisy efa nahalevina ny lasa
Lainga,tena lainga izany
.
H.Nirina
--------
Lien:
Catégorie : embona
792 1
Fans: Miits5iky
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : H.Nirina
Inséré par : Miits5iky
Date : 30/10/2017 18:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137